Fiteny tsakaviana

Ny fiteny tsakaviana dia iray amin' ny fitenim-paritra krôatiana telo, izay tenenina indrindra ao Istria, nefa koa ampiasaina: ao Kvarner, ao Kvarnerić, ao Pokuplje, ao Gorski kotar, ao Gacka, ao Dalmatia amorontsiraka ary ao amin' ny vondro-nosy Dalmatiana (afa-tsy ny faritra Dubrovnik). Antsoina amin' io anarana io izy noho ny fampiasana ny mpisolo manontany ča /tʃa/ izay midika hoe "inona".

Any ivelan' ny sisintanin' i Krôasia ankehitriny, ny Krôatiana ao Aotrisy (Burgenland) dia miteny krôatianan' i Burgenland, izay fitenim-paritra tsakaviana ihany koa. Ny Krôatiana any Slôvakia sy any Hôngria dia mampiasa an' io fiteny io koa. Any amin' ny tapany atsimon' i Italia, ny vahoaka vitsy anisa manam-piaviana krôatiana miorim-ponenana ao amin' ny faritanin' i Molise dia miteny amin' ny fitenim-paritra stôkaviana-tsakaviana mifangaro.


© MMXXIII Rich X Search. We shall prevail. All rights reserved. Rich X Search